Mitombo isa ny trondro any an-dranomasinaSamy mahazo tombony amin’ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina tantanan’ny fiaraha-monina, ny olombelona sy ny natiora.

Available in English | French | Malagasy

Naseho tao anatin’ny fandalinana vaovao navoaka tao amin’ny “Ocean and Coastal Management” (fitantanana ny ranomasimbe sy ny morontsiraka) fa ny faritra misy harena an-dranomasina maharitra (faritra tsy azo hanjonoana) eo ambany fitantanan’ny fiaraha-monina dia mahatonga ny andian-trondro ho maro an’isa. Asongadiny ao anatin’izany ny fahafahana miaro ny ranomasina izay tena mahatalanjona tokoa, atao eo an-toerana…

Manam-pahaizana manokana amin’ny siansa an-dranomasina, niaraka tamin’ny mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Blue Ventures no nandalina faritra misy harena an-dranomasina maharitra miisa dimy, izay samy eo ambany fitantanan’ny fiaraha-monina, miaraka amin’ny faritra fanjonoana miisa dimy ao anatin’ny Lamina enti-Mitantanana ny Morontsiraka sy An-dranomasina (LMMA) any Velondriake, any atsimo andrefan’i Madagasikara.

 

Nanaovana fandalinana isan-taona ny fivoaran’ny trondro tany amin’ireo toerana tsirairay avy ireo, mifandraika amin’ny habetsahan’ny trondro ao anatin’ny faritra iray, ny lanjan’ny trondro ao anatin’ny velarana iray voafaritra, ary norefesina araka ny habetsahany sy ny halavany izany.

Nahitana haran-dranomasina eo ho eo amin’ny 120 ha hatramin’ny 1000 ha ireny faritra misy harena an-dranomasina maharitra ireny.

 

Namorona sy nitantana ireny faritra misy harena an-dranomasina ireny ny fikambanana Velondriake, ary nanana izao tanjona izao: rehefa tsy voakorontan’ny jono ny trondro, dia mitombo eo amin’ny toerana misy azy ary mihamaro an’isa. Hatsarain’izany ny jono atao any amin’ireo vatohara eo amin’ny manodidina.

Nihatsara tao anatin’ny roa taona monja ny habetsahan’ny trondro, taorian’ny nandraisana fanapahan-kevitra hamaritra ny faritra misy harena an-dranomasina rehetra.

Taorian’ny enin-taona niarovana ireny faritra misy harena an-dranomasina ireny no nahitana fa nitombo efa ho avo telo heny ny isan’ny trondro tao aminy, nihoatra noho ny tamin’ireo faritra navela nanjonoana.

 

Hita tao anatin’ny iray tamin’ireny faritra misy harena an-dranomasina ireny aza moa fa ny isan’ny trondro tao anatin’ny efa-taona dia nitombo avo 6,5 heny, nihoatra noho ny tany amin’ireo faritra niniana nosokafana ho an’ny jono.

“Tsy vaovao ilay fiheverana fa ny faritra arovana sady tsy avela hanjonoana dia mampitombo ny isan’ny andian-trondro, ary efa nisy tao anatin’ny taona maro nifandimby izany. Vitsy anefa ny antontan-kevitra manamarina fa ireo mpanjono eo an-toerana ihany (fa tsy ny fanjakana na ny manam-pahefana ivelany) dia mahavita manatsara ny fahasalaman’ny vatohara amin’ny alalan’ny fitantanana an-dranomasina ataon’izy ireny.

Hannah Gilchrist, mpitarika ilay fandalinana natao.

Nisy fandalinana hafa nahitana fa ny fari-dranomasina narovana araka ny fomba fitantanana nampidirina avy any ivelany, nentina teo an-toerana, dia nampitombo ny isan’ny trondro ho 82% mihoatra noho ny tany amin’ireo faritra navela nanjonoana.  189% kosa anefa ny fitombon’ny trondro hita tato anatin’ity fandalinana ity, raha mitaha amin’izany, izay manaporofo fa ahazoana tombony kokoa ny fitantanana ataon’ny mponina eo an-toerana…

… ary tao anatin’ny faritra efa zara raha nisy trondro no nakana ireny vokatra ireny. Ny habetsahan’ny trondro ao amin’ny faritra misokatra ho an’ny jono any Velondriake dia manana salanisa 241 kg/ha, ary 581 kg/ha kosa izany ho an’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indiana.

Tontosa ny famaritana ny faritra misy harena an-dranomasina maharitra tao Velondriake taorian’ny taona maro nifampidinihina tamin’ny mponina teo an-toerana, izay manao ny jono ho antoky ny sakafony sy ny fivelomany..

Zava-dehibe ny fizarana ny vokatr’izany fandalinana vaovao izany, ho fanohanana ny fiarovana mahomby ataon’ny mponina eo an-toerana amin’ny fari-dranomasina. Lasa mitarika fifanakalozan-kevitra sahady ny vokatr’izany fandalinana izany tany Velondriake, mba hampifanarahana sy hampivelarana ireo fepetra fiarovana ny fari-dranomasina.

Tsy tratra ny tanjona amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina, eo amin’ny sehatra maneran-tany. Maro amin’ny fari-dranomasina voaaro eo ambany fitantanan’ny fanjakana no tsy ahitam-bokatra mifandraika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Porofoin’ity fandalinana ity amin’ny alalan’ny fomba tsy azo iadian-kevitra ny fahombiazan’ny fiarovana ny fari-dranomasina ataon’ny mponina eo an-toerana, sy ny andraikitra manan-danja azon’ny mpanjono raisina mba hahazoana vokatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, vokatry ny fisian’ny fomba fiasa miorina amin’ny zon’olombelona.

Ho fanatrarana ny tanjona amin’ny fiarovana ireo fari-dranomasina maneran-tany, sy hamerenana amin’ny laoniny indray ny faritra misy hazan-dranomasina efa tena mihalany, ny fikambanan’ny mpanjono dia tsy maintsy omena fahafahana misafidy ny fepetra ara-tontolo iainana ahazoan’ny tenany tombony, mitahiry ny tontolo iainan’ny haran-dranomasina manamorona ny morontsiraka be harena ara-boajanahary, ary mitahiry indrindra ny fiveloman’ny mpanjono ho an’ny taranaka aoriana.

Share on:

Facebook
Twitter
LinkedIn
WhatsApp
Email
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
Share This